| Entry | 1 Nosoratana tao anatin'ny fangorakorahana |
| Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 3 Literature: poems |
| Author |
4 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Full text |
5 6 Eritreritra, nofy mangina, 7 Hovitrovitra saika tsy re, 8 Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita. - 9 Any an'inona? - Tany tsy hita. 10 Nefa feno ny zavatra irina, 11 Feno azy ary be dia be... 12 Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita... 13 Hovitrovita saika tsy re... 14 Hovitrovitra... Ny antony? -Asa! 15 Fa malemy ny nofo ka jamba! 16 Toa fanahy no sisa mameno, 17 Izy ihany no sisa mba heno 18 Mampangina ny otan'ny lasa! 19 Ny vovoka,hiverina angamba... 20 Toa fanahy no sisa mameno, 21 Fa malemy ny nofo, ka jamba! 22 Dia fangorakorahana sisa... 23 - O! mbola olombelona ihany! - 24 Vao tanora, ka ho lasa sahady? 25 Zanak'ondry, ka halavon'ny tady? 26 - Eritreritro tonga madisa, 27 Nifamatotra tsy hita lany... 28 Vao tanora, ka ho lasa sahady? 29 - O! mbola olombelona ihany! 30 Injao mihodina mora dia mora 31 Ny eritreritro lasa mandeha. 32 O ry fahatanorako ho fohy, 33 Fa efa miditra ilay lava-johy 34 Tsy ivelaran'ny tsiky tanora, 35 Na idiran'izay rehareha! 36 O! ry fahatanorako ho fohy, 37 Ny eritreritro lasa mandeha! 38 Toa voron-kiantefa any an-koatra 39 Izany fiaingany anatiko izany 40 Efa feno dia feno fanahy, 41 Vonombonona, tsy mba manahy... 42 Tebiteby, kanefa tsy loatra, 43 Tebiteby aminao, ô ry tany! 44 Efa feno dia feno fanahy 45 Izany fiaingany anatiko izany! 46 Tebiteby... Mangina! Mangina! 47 Mangina, ô ry nofoko ho rava, 48 Mangina, ô ry nofoko omaly! 49 Fitsaharana anie hampifaly; 50 Raha ho lasa, veloma, masìna, 51 Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava! 52 Mangina, ô ry nofoko omaly! 53 Mangina, ô ry nofoko ho rava! |
| Updated on 2025/11/17 |
|